Fifaninana momba ny robotika

Norombahin’ny Malagasy ny « First Global Challenge 2024 »


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Norombahan'i Madagasikara tamin’ny alalan’i Tojo Emrick Rajomarison avy amin’ny Ritcheyl School of Madagascar

Androhibe, Sahaza Andrinirariny avy amin’ny Lycée Maria Manjaka, Andohalo, Ainafinaritra Manandraibe avy amin’ny Vision Valley School, Talatamaty, Maharisoa Grace Raoloson mpianatry ny Condorcet-Lycée « Les Petits Lascars » Sabotsy Namehana, ary Alinoro Maria Ramamonjisoa avy amin’ny Collège Saint Michel Amparibe. ny medaly volamena tany amin'ny fifaninanana robotika, First Global Challenge 2024, natao tany Athènes Grèce ny 26 hatramin’ny omaly 29 septambra. Izy 5 ireo izay nofantenin’ny Steam for good noho ny fahaiza-manaony manokana. Lohahevitra noraisina tamin’ity fifaninana mikasika ny teknolojia sy ny robotika tamin’ity andiany ity ny hoe : « Feeding The Future », manamafy ny fanamby lehibe amin'ny famokarana sakafo maharitra. Niompana tamin’ny fananganana vahaolana robotika vaovao izay tsy vitan'ny manatsara ny fahombiazana amin'ny famokarana sakafo fa koa miantoka ny fizarana mitovy sy manaja ny tontolo iainana. Ity lohahevitra ity, izay maika kokoa noho ny hatramin'izay satria manasongadina ny maha zava-dehibe ny toe-draharaha maneran-tany ary manentana ny talenta tanora hanana anjara amin'ny hoavy maharitra kokoa. Miharihary hatrany fa mahay ny Malagasy matoa misongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka itony, ka mila ampiana sy tohanana hivoatra hatrany. Na io lohahevitra tamin’ity io aza, dia tena mifandraika amin’ny filàn’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny famokarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT