Fampianarana

Fiezahana handoko volomboasary Fa ho potehina amin’ny politika koa ve ny fampianarana ?


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Miitatra ny fihazakazahana mandoko politika volomboasary izay azo lokoina ka ny mpampianatra mpanabe indray izao, taorian’ny lokon-tsekoly manara-penitra, lapan’ny fitsarana, fonja, sefom-pokontany,…

nampitondraina ny loko volomboasary. Lasa fitaovana politika indray ankehitriny ny fanolorana taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra tafiditra ho mpiasam-panjakana, miampy fizarana bisikileta. Niharihary izany tamin’ny fanolorana fifanarahana arak’asa ho an’ny mpampianatra miisa 152 tao amin’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) Ihorombe omaly 3 mey 2023 tamin’ny fampisalorana volomboasary ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana tamin’ny andiany faha-9. Ankoatra izay, mpampianatra sy mpianatra sangany miisa 240 koa no notolorana bisikileta tao amin’ny faritra Ihorombe. Nitarika ny lanonana fanolorana izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, notronin’ny manampahefana any an-toerana. Tany Alaotra Mangoro kosa, izay ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle mivantana mihitsy no tonga tany nitarika ny fanolorana fifanarahana arak’asa 391 sy bisikileta 786, dia ireo manam-pahefana no niezaka nanasongadina ny loko politika, raha toa ka ny fanamiana fotsy amin’ny maha mpanabe no nentin’ireo mpampianatra. Ampahatsiahivina foana ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana izay maneho fa iantohan’ny Fanjakana ny tsy fiandaniana politikan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny tafika, ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fanabeazana, ary ny fampianarana. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa mpahay lalàna ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ka voahaja ve izany amin’izao? Moa tsy ny resaka TIM fanabeazana sy TIM fahasalamana ve no isan’ny nanenjehana ny Fitondrana Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny kanefa dia iniana terena holokoina volomboasary indray ny mpampianatra sy mpiasan’ny fahasalamana ankehitriny? Mikasika ity fizarana bisikileta ity, hafa mihitsy ve ireo zarazaraina sy hanaovana propagandy ankolaka ireo sa anisan’ireo 5000 isa nomen’ny Fanjakana Indianina?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT