Fidiran’ny mpianatra

Velon-taraina ireo ray aman-dreny,


  • Talata 09 Septambra 2025

tsy mbola nisy ohatran’ity…

Somebiseby ny kilonga, hoy ny fitenenana, namonjy sekoly, ho an’ireo izay mbola manana ray aman-dreny manana enti-manana hampiana-janaka moa izany, raha ny hita omaly 8 septambra 2025. Ny zaza moa tsy mahalala hoe tsy misy, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo ray aman-dreny, fa te hahatafita zanaka ianao dia mila ampianarina toy ny zana-bahoaka izy. Mafimafy ny fampidiràna mpianatra tamin’ity, hoy ny raim-pianakaviana iray, fanoratàna anarana fotsiny dia efa lany ny 300.000 Ariary. Mbola tsy resahina, hoy izy, ny fitaovam-pianarana sy ny saram-pianarana isam-bolana. Tsy mbola nisy ohatran’ity, hoy ny fanehoan-kevitra hafa, ny vidim-piainana koa midangana etsy an-kilany nefa ny fitadiavana tsy mandeha ohatran’ny taloha intsony fa miha tery. Hita ho velon-taraina, araka izany, ireo ray aman-dreny. Omaly moa, tamin’ny ankapobeny, no niditra nianatra ny ankamaroan’ireo mpianatra, indrindra, amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT