Fidiran’ny mpianatra

Nisokatra ny Tsena fanantenana eny Ambohimirary


  • Zoma 08 Septambra 2023

Taorian’ny fanampiana manokana ireo ray aman-dreny sahirana te hampiana-janaka kanefa tsy afa-manoatra dia

nisokatra ny Tsena Fanantenana eny Ambohimirary mba hanampiana azy ireo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsena misokatra isan-taona, efa an-taonany maro izay. Mivarotra fitaovan’ny mpianatra ilaina rehetra toy ny kitapo, kahie, penina, rakibolana, biky sy ny maro hafa mialohan’ny fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Tsy hanavahana na iza na iza, hoy i Hanitrinila Fanantenana, filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI 5 fa izay rehetra te hanjifa dia afaka avokoa rehefa voamarina amin’ny alalan’ny karinem-pokontany fa monina eny amin’ny boriborintany fahadimy. Nezahana ho mirary dia mirary ny vidin’entana mba hanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, araka ny filamatra hoe “Miaro sy manasoa vahoaka!”, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT