Fampianarana

FIDIRAN’NY MPIANATRA Misy sekoly tsy nampiakatra saram-pianarana


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Maro ireo sekoly tena manararaotra amin’izao vakansy lehibe izao mba hampiakarana ny sara-pisoratan’anaran’ny mpianatra sy ny saram-pianarana fandoa isam-bolana.

Raha tsiahivina anefa dia tranga iray mety hampidinabe ny tahan’ireo ankizy miditra an-tsekoly indray io fanapahan-kevitra hataon’ny sekoly sasany io noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Ankoatra ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro mantsy dia niakatra ihany koa ny saran-dalana vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika…. Ho an’ny kolejy La Prime etsy Anosibe manokana, tantanan-dRtoa Solonandriana Lanto dia fantatra fa tsy nampiakatra saram-pisoratan’anarana sy saram-pianarana izy ireo amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Vokatry ny faneken’ireo mpampianatra ao an-toerana hijanona amin’ny karamany teo aloha ihany hoy izy no anton’izany noho ny alahelony ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehefa natao ny fivoriana. Nambaran’ity talen-tsekoly ity anefa fa tsy maintsy hisy ihany ny fijerena ireo mpampianatra ireo atsy ho atsy izay hiantsony ny fanjakana ihany koa ny hanafainganana ilay fanampiana avy amin’izy ireo ho tombontsoan’ny zaza Malagasy. Ho an’iny faritra Anosibe iny manokana moa dia fantatra fa misy ireo sekoly mampidina saram-pianarana ka saika mihazakazaka sy liana amin’izany avokoa ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Rtoa Solonandriana Lanto,tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly La Prime !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT