FIDIRAN’NY MPIANATRA

Midi-trosa eny amin’ny mpampanjana-bola ny Ray aman-dReny


  • Talata 20 Aogositra 2024

Difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra.

Tsy vitsy ireo lasa manaotao foana manoloana izany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Saika mihazakazaka any amin’ny mpampanjana-bola ny ankamaroan’izy ireo ankoatra ireo midi-trosa eny amin’ny banky. 20 eo ho eo isan’andro raha kely ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tonga mila vola ao aminy raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpampanjana-bola iray. Manomboka eo amin’ny 200.000 Ar ka hatramin’ny 400.000 Ar ny vola tadiavin’izy ireny, miankina amin’ny isan’ny zaza mianatra ary ao anatin’ny roa volana eo ho eo no hamerenana azy. Misy zanany isam-bolana anefa izany raha tsiahivina. Ny 200.000 Ar ohatra dia misy zanany 60.000 Ar eo ho eo ao anatin’ ny iray volana dia toy izay hatrany. Nambaran’ity mpampanjana-bola iray ity moa fa izao indray vao mandeha ny tsenan’izy ireo noho ny hasarotan’ny fiainana raha antonony teo aloha. Sahy maka ireo fananana ao an-tokantrano avy hatrany moa ireny mpampanjana-bola ireny rehefa tsy voaloha araka ny fe-potoana nomeny ny volany raha tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tany sy ny trano, miankina amin’ny taratasy hifanaovan’ny roa tonta.
Pati
Legende : Tsy mitandro hasasarana tahaka izao ny Ray aman-dReny amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT