FIDIRAN’NY MPIANATRA

Mbola fifankahafantarana sy fanazarana aloha


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Efa saika niditra nanomboka omaly Talata 05 Septambra avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra manerana ny Nosy.

Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana izay fantatra fa mbola tsy nisy nahafeno ny isa tena ilainy amin’ny ankapobeny. Hatreto mantsy dia vao ny 50%-n’ny mpianatra no tonga sy niverina raha mbola andrasana ny sasany. Fanazarana ilay mpianatra indrindra fa ireo mbola madinika kely no natao nanomboka omaly izay marihina fa mbola tena tsy mahasaraka tokoa. Fifankahalalana eo amin’ireo mpianatra sy mpampianatra kosa no tena natao ho an’ireo mpianatra efa lehibebe ankoatra ny fanomezana ny fandaharam-potoana mandritra ny herinandro. Milamina ny fidiran’ny mpianatra tamin’ny ankapobeny raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo talen-tsekoly maromaro. Ny hany olana hoy izy ireo dia ny tsy fahampian’ny fitaovam-pianarana izay efa hita taratra sahady omaly raha eo ihany koa ny fiandrasana ny saram-pianaran’izy ireny ho an’ireo manovo fahalalana eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Tsy manaiky mantsy ireo mpampianatra fa tsy maintsy mandray karama feno ihany koa amin’ny fotoana tokony handoavany izany.
Pati
Legende : Mbola miezaka mitady izay ho namany ihany koa ireo ankizy mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT