Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Maro ireo sekoly mbola manaiky ireo fitaovana teo aloha


  • Talata 15 Septambra 2020

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fidiran’ny mpianatra ny Ray aman-dReny amin’izao na dia vao manomboka mivoaka tsikelikely ao anatin’ny fihibohana aza isika.

 

 

 

 Tsy vitsy araka izany ireo velon-taraina sy mikaikaika, ka tonga mitaraina sy midodododo eny anivon’ireny sekoly maro isan-tsokajiny ireny, indrindra fa ny sekoly tsy miankina. Misy amin’ireto farany araka izany no manaiky ilay aloha tsikelikely ka fanavaozana ny fisoratana anarana no tsy maintsy hatao aloha raha mbola afaka miandry ny saram-pianarana volana Oktobra. Misy amin’ireo sekoly tsy miankina ihany koa no nandefitra amin’ny fampiasana ireo karazana fitaovam-pianarana vaovao. Betsaka ireo manaiky ny hamerenana hampiasana ireo fitaovam-pianarana teo aloha toy ny crayon de couleur, ny feutre….. raha tsy maintsy vaovao kosa ny kahie. Misy fiantraikany goavana any amin’ireo mpivarotra fitaovam-pianarana eto amintsika izany raha araka ny fanadihadiana natao. Lasa tsy misy mpividy firy mantsy ny entan’izy ireo nefa tsy niakatra ny vidin’ny fitaovam-pianarana. Ho an’ny kahie 100 pejy ohatra dia mbola mahazo 1.000 Ar raha 1500 Ar no lafo indrindra miankina amin’ny kalitaony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT