Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Hentitra ny fampanajana ny fepetra


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Omaly no nanomboka nandia ny varavaran-tsekoly indray ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taona 2020 ity.

 

 

 Hentitra ny ankamaroan’ireo sekoly tamin’ny ankapobeny. Ho an’ny lisea La Prime etsy Anosibe manokana dia in-droa manolo aro tava ny mpianatra iray vao tonga ny amin’ny 11 ora atoandro fotoana firavana ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny COVID 19. Tsy maintsy manasa tanana amin’ny savony koa mialohan’ny hidirana ao an-dakilasy ny tsirairay raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Rtoa Solonandriana. Tsy misy ny fakan-drivotra na ny fotoana fihinanana ody am-bavafo. Ho an’ireo izay tena tsy mahatanty kosa anefa na mandeha any amin’ny toeram-pivoahana dia manasa tanana izy ireo rehefa mivoaka ary manasa tanana ihany koa rehefa miverina. Natao roa isaky ny dabilio kosa ny mpianatra noho ny halavan’ny dabilion’ny sekoly hatrany amin’ny 4 metatra ka voahaja tsara ilay elanelana 1 metatra isanisany. Mikasika ny saram-pianarana indray dia nanambara ity talen-tsekoly iray ity fa ankinina amin’ny fahendren’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izany. Nomarihiny manokana moa fa efa azon’ny tamin’ny Talata hariva teo avokoa ny anjara aron-tava ho an’ny mpianatra sy ny savony avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ka izay sekoly kamo ihany no tsy nahazo izany. Tonga omaly hariva kosa ny ranom-panafody ahosotra amin’ny tanana raha efa tamin’ny Alatsinainy lasa teo no nanomboka ny asa fanadiovana ny efitranon-tsekoly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT