Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Hanampy ny isan-tokantrano ny BNI


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Mikolay amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra amin’izao fotoana izao ny ray aman-dreny.

Raha kely mantsy dia 2 hetsy Ar isaky ny mpianatra ny vola ilaina ho an’ny sekolim-panjakana. Hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fiatrehana izany   ny banky BNI Madagascar  amin’ny alalan’ilay tolotra “credit Fianarana”. Voakasika ao avokoa  ireo mpiasa sy mpandray karama isam-bolana na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ireo masoivohon’ity banky iray ity miisa 61. Efa nanomboka ny 14 aogositra lasa teo ny hetsika, hifarana ny 31 oktobra izao. Manomboka amin’ny roa hetsy Ariary ny vola azo alaina, telo ka hatramin’ny 20 volana ny faharetan’ny famerenana azy raha manodidina ny 2.000 isa kosa ireo olona kasaina hahazo tombontsoa. Hizarana kitapo sy penina maro loko ireo olona 1.000 voalohany tonga mandray anjara amin’ity tolotra ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT