Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra amin’ny novambra Tsy misy atahorana na dia propagandy aza, hoy ny ministera


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Niteraka fanehoan-kevitra maro tao anatin’ny tambajozatram-pifandraisana facebook ny faran’ny herinandro teo ny fivoahan’ilay tetiandrom-pampianarana amin’ny taom-pianarana vaovao 2018-2019 ho avy io.

Samy manana ny fahitany azy ny rehetra toy ny hoe : fohy loatra ny telo volana voalohany… saingy ny tena mampametra-panontaniana ny maro  dia ny fanombohan’ny fidiran’ny mpianatra ao anatin’ny vanim-potoana hanaovana ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fifidianana raha tsy misy ny sampona.  Tsy misy atahorana izany raha araka ny fanazavan’Atoa Tsitoara Serge Thierry. Na inona na inona mantsy hoy izy zava-nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay dia nianatra foana ny mpianatra ary raha sanatria ka misy fiatoana kely aza izany dia tsy maintsy fenoina amin’ny fotoana manaraka foana. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny fianaran’ny zaza Malagasy hatrany ny zava-misy tahaka ireny,  indrindra fa ny resaka  ady lahy pôlitika. Misy fiantraikany any amin’ny Ray aman-dReny ihany koa na dia ny tebiteby fotsiny ihany aza. Tsiahivina moa fa amin’ny taom-pianarana 2019-2020 dia efa miditra  mian-dalana mankany amin’ny  fanafoanana ny fanadinana CEPE isika  eto Madagasikara raha toraka izany ihany koa ny fanenjehana ilay  “Plan sectoriel de l’éducation” amin’ny fampidirana ny mpianatra volana martsa amin’ny taom-pianarana 2020-2021.Ny 19 novambra 2018 moa no hiditra an-tsekoly ny mpianatra amin’io taom-pianarana vaovao io.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT