FIATREHANA NY FIDIRAN’NY MPIANATRA

Vao ny 5%-n’ny Ray aman-dReny no efa nahavita izany


  • Talata 25 Jona 2024

Efa tena mandeha ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra taom-pianarana vaovao 2024-2025

ho an’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana. Nanomboka tamin’ny volana Aprily tany ho any izy io ka ho an’ireo tonga misoratra anarana hatramin’ny 28 Jona izao ho an’ny sekoly sasany dia mahazo fihenam-bidy hatrany amin’ny 30%. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny talen-tsekoly iray dia ny 5%-n’ireo Ray aman-dReny no efa nahavita io fanavaozana ny fisoratana anarana io indrindra fa ho an’ireo mpianatra tsy niatrika fanadinam-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny fampihenana ny vola mivoaka ao an-tokantrano avokoa izany hoy hatrany ity talen-tsekoly ity noho ny hasarotan’ny fiainana. Ny aorian’io datin’ny 28 Jona io kosa dia efa ny vola ara-dalana tsy maintsy aloha no tadiavin’ny Ray aman-dReny. Manodidina ny 200.000 Ar mahery isaky ny ankizy mpianatra eo izany ho an’ny sekoly mampiasa ny teny Frantsay raha 80.000 Ar ho an’ny sekoly tsotra. Tsy vitsy ireo Ray aman-dReny efa mikolay sahady noho izany. Tsy lazaina intsony ny vidina aron’akanjo sy ny tee shirt ary ny short hanaovana fanatanjahantena.
Pati
Legende : Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny vola tadiavina ny fitaovam-pianarana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT