Fampianarana

Fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra Ho mafimafy ny miandry ireo ray aman-dreny


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Mahereza daholo ny Ray aman-dreny rehetra fa hiatrika sahady ny fidiran'ny mpianatra, hoy ny mpandraharaha sady raim-pianakaviana iray. Vola be no ilaina amin'io.

 

 

 Eo ny resaka fisoratana anarana, ny « droit et frais généraux », ny fampitaovana, ny aronakanjo, ny boky, ny akanjo vaovao sy ny hafa maro, indrindra moa rehefa tsy iray intsony ny zaza mianatra. Tena Mbola tsy nisy nangidy toy ity raha tranga teto amin'ny firenena. Ny asa potika, ny kely nangonina ritra, tsy fantatra hoe rahoviana vao hilamina ny fiainana. Mahereza daholo fa ny adidy amin'ny zanaka indray tsy maintsy vitantsika foana. Miady mafy isika fa tsy misy manaiky ho resy izany, hoy izy. Ho mafimafy amin’ireo ray aman-dreny tokoa, raha ny fanadihadiana natao, ny hiandry azy ireo ao anatin’izao akatoky ny fidiran’ny mpianatra izay nialohavana krizy lavareny izao. Enjana fa tsy maintsy hatrehina, hoy ny renim-pianakaviana sasany. Ny mahagaga dia mangina tanteraka ny fanjakana na inona na inona ataon’ireo sekoly tsy miankina, hoy koa ny ray aman-dreny hafa.

Nangonin’i J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT