Fampianarana

Fiatrehana ny fanadinana CEPE Manao ezaka mafy ny ankamaroan’ireo EPP


  • Talata 07 Aogositra 2018

Hotanterahina amin’ny herin’ny anio talata 7 aogositra ny fanadinana CEPE ho an’ireo ankizy madinika ao amin’ny kilasy fahafito manerana ny Nosy.

Efa miomana amin’izany avokoa ny tsirairay, indrindra fa ny mpianatra mba hahazoana vokatra tsara. Ho an’ny ankamaroan’ireo EPP eto amintsika dia manao ezaka mafy izy ireo hanampiana ny mpianany sy tsy handisoana fanantenana ireo ray aman-dreny izay fantatra fa tena mimenomenona tokoa ny ankamaroany. Ho an’ny EPP etsy Antanimbarinandriana, ohatra, dia miasa mafy avokoa  ny mpampianatra rehetra ao an-toerana manohana ireo mpianatra 200 isa hiatrika ny fanadinana CEPE ao an-toerana. Vao tamin’ny 23 jolay lasa teo mantsy no niverina nampianatra avokoa ny mpampianatra rehetra raha tamin’ny zoma no vakansy ireo hafa rehetra. Mianatra isan’andro ireo mpianatra 200 ireo miatrika ny famerenana ka tsy miaraka be dia be toy ny teo aloha intsony fa tsinjaraina isaky ny efitrano sy ireo mpampianatra mandray mba hanamorana ny fiatrehana ny fanadinana. Ankoatra izay raha araka ny fanazavan-dRtoa Adorson Lantomalala talen-tsekoly dia hampahafantarina manokana ireo mpianatra ny fomba fandraisana ny taratasim-panadinana ka hanaovana vaindohan-draharaha ny fanoratana ny anarana sy ny nomeraon’ny mpiadina. Toraka izany koa ny famakiana tsara ny laza adina ialana amin’ny fandrika. Raha araka ny fantatra moa dia efa vita talohan’ny fitokonan’ny mpampianatra ny fandaharam-pianarana ho an’ity EPP iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT