Fampianarana

Fiatrehana ny bakalorea Tokony hihinana sakafo be otrik’aina sy maro loko ireo mpiadina


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Ankoatra ny famerenan-desona faramparany mafy izay heverina fa mety hahazoana fahombiazana mandritra ny fanadinam-panjakana Bakalorea

 hotanterahina manomboka ny 09 aogositra ho avy izao ho an’ireo mpiadina hiatrika izany dia tsy azo hatao ambanin-javatra ihany koa ny resaka sakafo. Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fitadidiana sy ny fifantohana mantsy izany, indrindra fa ho an’ireo sakafo maro loko sy be otrik’aina. Tokony hihinana karazam-boankazo 2 isan’andro ohatra ny mpiadina iray miampy legioma. Tsy diso anjara amin’izany ny fihinanana hena, atody, trondro, ny sakafo misy lafarinina izay miteraka hafanana hoy ny mpitsabo iray. Toraka izany koa ny fisotroana rano 2 litatra isan’andro hisorohana ny fikorontanan’ny fitadidiana. Na izany aza dia tsy azo hatao ihany koa ny manao rapadango hoy hatrany ity mpitsabo ity. Misy ny sakafo tsy azo hanina hoy hatrany izy dia ny be siramamy loatra. Mikasika ny sokola izay zary fahazaran’ny Ray aman-dReny ny mividy azy rehefa hiatrika ny fanadinam-panjakana tahaka izao ny zanany dia fantatra fa tena ilaina tokoa izy ireny noho ny manezioma entiny. Cacao mantsy no mandrafitra ny 70%-n’ny sokola izay marihina fa tena ilain’ny vatana tokoa. Nomarihin’ity mpitsabo ity moa fa izao dia efa tokony hampiharina izany toro-hevitra izany fa tsy hiandrasana amin’ny datim-panadinana akory mba hahazoam-bokatra mahomby.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT