Fampianarana

Fiarovana ny zon’olombelona Ho lasa taranja ianarana eny amin’ny oniversite


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Miezaka hatrany ny UNESCO manatevin-daharana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra sy ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika hahafahana mametraka ny tena fandriampahalemana marina.

Mitohy hatrany araka izany ilay tetikasa Rary Aro Madagascar izay tanterahin’izy ireo vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix vola. Taorian’ny fanentanana sy fampianarana ireo tanora any amin’ny faritra dia nijery manokana ireo mpianatry ny anjerimanontolo eny Ankatso indray izy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny oniversite sy ny PBF ny Unesco amin’ny fanatanterahana izany ka hisy ny fampidirana anaty taranjam-piofanan’ny mpianatra momba ny fanajana ny zon’olombelona. Ao amin’ny taona voalohany dia efa hampidirina izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rasoanilava Lanto, talen’ny zana-tsehatra eo anivon’ny fakiolten’ny siansa sy ny maha-olona. Hitohy hatrany amin’ny taona fahaefatra hakan’ireo mpianatra ny diplaoma master izany izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa hampihariny avy hatrany eny an-tsehatra rehefa misy ny voyage d’etudes tanterahiny. Ao amin’ilay centre de documentation sy information ireo mpianatra no hanovo fahalalana mifandraika amin’izany, ivon-toerana namboarin’ny UNESCO sy novatsiany fitaovana. Ankoatra ny radio dia ahitana video projecteur, boky maro…. ihany koa ao amin’ity ivon-toerana ity ka misy ireo afaka mianatra mivantana ao an-toerana avy hatrany raha misy ihany koa ireo afaka mandray izany any ivelany na hampitain-davitra. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy io ivon-toerana io.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT