Fampianarana

Fianarana teny Anglisy Manomboka miditra lalina ireo sekoly ambony tsy miankina


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Ny teny Anglisy aloha hatreto no mbola tenim-pirenena vahiny hahafahan’ny tanora Malagasy iray mitady asa haingana aorian’ny teny Frantsay.

Raha te ho lasa mpandraharaha matanjaka araka izany ny tanora iray dia mila mahay miteny anglisy sy frantsay no sady mahafolaka ny fianarana noratovony ihany koa toy ny resaka fitantanana….Noho io antony io indrindra no nanosika ny sekoly ambony ISSUP etsy Behoririka hampiditra ny fampianarana ny teny anglisy ao anatin’ny fandaharam-pianarany manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2022-2023 ity, raha araka ny fanazavan-dRabaritsimba Lalaina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly. Tsiahivina moa fa ny lalam-piofanana lalàna sy fitantanana no tena hampianarin’izy ireo. Tanjony ny hamolavola tanora ho lasa mpandraharaha afaka hamorona asa ho an’ny tenany no sady manampy ny hafa ihany koa. Mikasika ity fianarana teny anglisy ity manokana moa dia maharitra roa volana izany ka afaka mandray ihany koa izy ireo na dia ho an’ireo mbola tsy manana ny mari-pahaizana Bakalorea aza. Manodidina ny 100 ka hatramin’ny 200 isa kosa ireo mpianatra azon’izy ireo raisina ho an’ny taona voalohany amin’ity taona ity hatrany.
Pati
Legende : Rabaritsimba Lalaina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony tsy miankina ISSUP
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT