Fampianarana

Fianarana maimaimpoana any Italia Mpianatra Malagasy iray no nitsikian’ny vintana


  • Talata 15 Novambra 2016

I Madagasikara aty amin’ny kaontinanta Afrikanina no anisan’ny nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo mpianatra mahay indrindra nandritra ilay fifaninanana hidirana any amin’ny Oniversitem-panjakana “Bolona Business School” any Italie.

Tamin’ny alalan’ny skype no nanatanterahana ny fifaninanana  ny 31 septambra lasa teo izay nivaly ny faran’ny volana oktobra lasa teo. Njarizafy Odilon, 23 taona, mpianatry ny sekoly ambony ISFPS Leader  etsy 67 ha, tantanan’Andriamatoa Tsimondreke Mahasoa no nibata ny fandresena. Taona fahatelo ao amin’ity sekoly ambony iray ity izy nanaraka ny lalam-piofanana “gestion et management”. “Business and corporation Management” kosa no lalam-piofanana arahiny manomboka izao hakany ny mari-pahaizana Master I. Ny 25 novambra ho avy izao no hiala eto Madagasikara ny tovolahy raha ny fiandohan’ny volana janoary taona 2017 kosa no hanomboka ny fianarany. Herintaona moa no faharetan’ny fianarany any an-toerana handraisany vatsim-pianarana 14.800 Euros isam-bolana hiantohana trano, fiara ary sakafo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT