Fampianarana

Fianarana ho matihanina amin’ny fahandroana sakafo Mbola vitsy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Nifarana omaly alahady 3 jona ny hetsika International Fair Tourism Madagascar (ITM) andiany fahafito notontosaina tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka.

Nanamarika ny hetsika ny fampirantiana nampahafantarana ireo toerana tsara azon’ny mpizahatany sy ireo mpanao fialantsasatra aleha eto Madagasikara. Na dia nibahan-toerana aza ireo fampirantiana maha izy azy ny faritra dia hita tao ihany koa ny sehatra hafa tahaka ny fampianarana mahandro sakafo. Tena vitsy ny toerana manome fampianarana momba ny fahandroana sakafo eto Madagasikara, indrindra ny any amin’ny faritra, araka ny tatitry ny tompon’andraikitra. Efa maro anefa ny liana amin’io sehatra io manoloana ny fidiran’ny vahiny sy ny firoboroboan’ny fizahantany. Tsara, araka izany, ny mahafehy ny sakafo rehetra na ny eto Madagasikara na ny an’ny vahiny.  Anisan’ny sekoly mampianatra ny tontolon’ny fandraisam-bahiny, indrindra ny  lafiny sakafo ny “ La Rizière” any Fianarantsoa. Niforona tamin’ny taona 2012 taorian’ny fiaraha-miasa nisy tamin’ny sekoly Saint François Xavier sy ny fikambanana frantsay IECD ( Institut Européén de Coopération et de Développement) izay efa mpanohana sekoly ireo mivoy ny fahandroana sakafo sy ny fandraisam-bahiny ireny. Misy sehatra 3 ny fampiofanana ao amin’ny “La Rizière”. Ao ny fampianarana momba ny lakozia mandritra ny 2 taona, ny manodidina ny fandraisana olona amin’ny sakafo tadiaviny (restauration) izay maharitra 2 taona ihany koa ary ny fampiantranoana vahiny atao mandritra ny 1 taona. Tanora 17 hatramin’ny 21 taona manana ny maripahaizana BEPC miisa 90 isan-taona no miofana ao amin’ny sekoly. Tanora miisa 148 no efa nivoaka tao hatramin’ny nisokafan’ny sekoly  ary efa saika miasa daholo  ireo. Ilaina ny sehatra tahaka itony ahafahan’ny tanora mahita asa satria iaraha-mahalala fa Fianarantsoa no resy indrindra ny amin’ny faritany, 72% ny tahan’ny fahantrana any.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT