Fampianarana

Fianarana aorian’ny bakalorea Sahirana misafidy ireo mpianatra


  • Talata 23 Oktobra 2018

Nampahafantarina omaly Alatsinainy 22 Oktobra teny amin’ny efitranon’ny filohan’ny Anjerimanontolo ny fisian’ny hetsika fampiratiana natokana ho an’ny mpianatra “Salon de l’étudiant Edition 2018”

 

 

 

 vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea farany teo. Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao eny amin’ny Esplanade Campus Universitaire Ankatso ihany izany. Tanjona ny hanamorana sy hanomezana toromarika amin’ny mpianatra ny sampam-piofanana sy ny lalam-piofanana tokony ratoviny aorian’ny nahazoana ny Baka. Trano eva miisa 40 no ho hita any amin’io fotoana io ary hanao fampiratiana amin’ny lalam-piofanana misy ao aminy ireo karazana sekoly lehibe misehatra  amin’ny fampianarana ambony tahaka ny ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo, ny ENS, ny Politeknika Vontovorona, ny CNTEMAD. Ankoatr’izay dia hisy ny fifanaovan-tsonia ho fiaraha-miasan’ny Oniversite sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny andro voalohany. Fa ny hampiavaka ity hetsika ity koa dia ny fisian’ny atrikasa sy lahadinika iresahana zavatra maro amin’ny mpianatra tahaka ny sehatra angovo, ny manodidina ny fiantohana CNaPS, ny tsara ho fantatra momban’ny tontolon’ny fanabeazana aizana sy ireo maro hafa koa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT