Fampianarana

Fiakaran’ny saram-pianarana Maro ny mpianatry ny sekoly tsy miankina miala


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Ahiana ho ny an-tsasa-manilan’ny mpianatra sisa no hiditra ny varavaran-tsekoly amin’ity taom-pianarana vaovao 2023-2024 ity.

Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo sekoly tsy miankina eny amin’iny faritra Atsimondrano iny mantsy indrindra fa ho an’ireo nampiakatra saram-pianarana dia niala avokoa ny ankamaroan’ny mpianatr’izy ireo. Tsy nisy niverina ireo Ray aman-dReny sasany na dia efa tafiditra ao anatin’ny volana Septambra aza isika izao. Vao ny 40%n’ny mpianatra na 50% raha betsaka no niverina hatramin’ny herinandro raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Misy amin’ireo sekoly anefa no nanitatra ny trano fianarana hahafahana mandray ireo mpianatra raha nisy ihany koa ireo nampiditra mpampianatra vaovao. Ny hany feo mandeha dia saika mitady lalana eny anivon’ireo sekolim-panjakana avokoa ny Ray aman-dReny. Eny amin’izy ireny mantsy no tsy misy vola aloha isam-bolana toy ny teo aloha intsony no sady afaka mianatra isan’andro tsy misy ahiana ny zaza. Manomboka eo amin’ny 2000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar isaky ny mpianatra moa io fampiakarana saram-pianarana io izay efa tena mavesatra ho an’ny Ray aman-dReny tokoa noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Pati
Legende : Mazava ho azy fa hihenabe ireo mpianatra hiditra an-tsekoly amin’ity taom-pianarana vaovao ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT