Fampianarana

Faritra Atsimo Hahazo sekoly vaovao 12 isa


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Hahazo sekoly vaovao miisa 12 ny any amin’ireo faritra telo any Atsimon’i Madagasikara dia ny Faritra Anosy,

 

 

 Androy ary Atsimo Andrefana. Vokatry ny famatsiam-bola mitentina 1,3 tapitrisa dolara natolotry ny Masoivoho Norvezianina miasa eto Madagasikara no angady nanana sy vy nahitana izany. Ireo sekoly vaovao vao hatsangana any amin’ireo faritra telo hita any Atsimon’ny Nosy ireo dia samy ahitana efitrano fianarana, trano ho an’ireo mpandraharaha sy tale eo anivon’ireo sekoly tsirairay avy ary toeram-pidiovana sy fahadiovana raha herinaratra azo avy amin’ny masoandro kosa no hanazava ny efitrano. Notanterahana afak’omaly talata 23 martsa maraina, tao Anosy, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa mikasika izany teo amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Masoivoho Norvezianina, izay namatsy vola, ary ny “UNICEF”, ny “PAM” ary ny “BIT”; izay hanatanteraka ny tetikasa. Ankoatra io fananganana foto-drafitrasa vaovao io dia isan’ny tetikasa hotanterahana ihany koa ny fanamafisana ny “Cours de Remise à Niveau” ho an’ireo mpianatra, ny fanohanana ny fampisakafoanana an-tsekoly, ny fanomezana fitaovam-pianarana, ny fampitaovana ny sekoly sy ireo mpianatra ary mpampianatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT