Fampianarana

Fanovana ny rafi-pampianarana Nankatoavin’ny HCC, mbola betsaka ny adihevitra


  • Zoma 27 Janoary 2023

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka nekena ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana

Malagasy ny lalàna momba ny fanovana ny rafi-pampianarana, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’io andrim-panjakana io ny alarobia 25 janoary 2023 teo. Ny tolo-dalàna momba izany izay depiote miisa 13 monja amin’ny 151 no tonga nivory sy nandany izany tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny 30 novambra 2022. Mifandraika tsara amin’ny lalàmpanorenana kosa io, hoy ny fanapahan-kevitry ny etsy Ambohidahy. Isan’ny fanavaozana ao anatin’io moa ny fanalavana ho 10 taona ny farahafahakeliny ny fandiavana an-tsekoly, raha 5 taona teo aloha. Any amin’ny taona faha-6 no hahazoana ny taratasy manamarika ny fahavitana fianarana teny amin’ny ambaratonga fototra fa tsy ho eo amin’ny taona fahadimy intsony (CEPE). 3 taona kosa ny eny amin’ny ambaratonga faharoa raha toa ka 4 taona teo aloha. Ny teny Malagasy sy Frantsay no teny enti-mampianatra saingy ny pitsopitsony sy ny fampiharana dia mbola laroina politika sy fomba fampitana ny fampianarana izay mbola holaniana amin’ny filankevitry ny minisitra. Mbola betsaka ny adihevitra raha ny resaka fampianarana eto amintsika no resahina. Tahaka ny nanaovana andrakandrana na “cobaye” hatrany ny rafi-pampianarana teto, raha tsy hijery ny fidirana tamin’ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education) izay efa niarahana tamin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Nakisaka indray iny dia io tonga amin’ny fanovana io. Nialohavana atrikasam-pirenena tany amin’ny aogositra 2022, ary nihazakazahana nentina tany amin’ny fihaonana iraisam-pirenena tany Etazonia ny septambra 2022 saingy tsy fantatra hoe: inona no tena vokatra nentina avy any? Tonga tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna teny Tsimbazaza izay depiote 13 monja no manapaka momba ny ho avin’ny zaza Malagasy? Tokony hodinihina tsara fa tsy hoentina amin’ny kitaitaitra sy andrakandrana ny fampianarana. Isan’ny adihevitra, ohatra, ankehitriny ny resaka tetiandro hoe: sao tokony ho amin’ny andro fahavaratra ny fialan-tsasatra? Ny endrika ivelany izany, fa ny programa mihitsy no mila hampifanarahana amin’ny fihariana sy ny famokarana eto Madagasikara,…

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT