Fampianarana

Fanovana ny rafi-pampianarana Hihatra manomboka amin’ny 2020


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Nihaona mivantana tamin’ireo senatera eto amintsika omaly ny minisitra Paul Rabary manoloana ilay fanovana ny rafi-pampianarana sy ny tetiandrom-pampianarana izay samy hihatra manomboka ny taona 2020 avokoa raha tsy misy ny sampona.

 Nanatrika tao ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré sy ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra. Anisan’ny nohazavain’ny minisitra ny mikasika ilay “Plan Sectoriel de l’éducation” izay tokony hovitaina mialoha ny taona 2018, hampiharana azy. Maro ny soso-kevitra nentin’ireo senatera fa maro koa ny fanakianana. Anisan’ireny ny hoe : fampidirana ny fanagasiana ho an’ny telo taona voalohany  amin’ny sivy taona hahazoan’ny mpianatra ny mari-pahaizana diplôme de fin d’étude fondamental izay mitovy lenta amin’ny mari-pahaizana BEPC ankehitriny. Ao anatin’ny telo taona faharoa kosa vao hampidirina ny teny frantsay arahin’ny fiofanana arak’asa mba hahazoan’ireo ankizy mpianatra miatrika asa avy hatrany ho an’ireo tsy manana fahafahana hanohy fianarana intsony. Tsy midika ho fanagasiana ny rafi-pampianarana izany, hoy ny minisitra fa famolahana ny mpianatra hahay hiteny malagasy, manoratra amin’ny teny malagasy ary manisa amin’ny teny Malagasy. Aorian’izay vao hiditra amin’ny fampianarana ny teny frantsay isika izay tsy sakana ho an’ny sekoly tsy miankina fa azony atao tsara manomboka any amin’ny préscolaire. Nafana ny adihevitra tamin’ny ankapobeny  izay nandaniana ora dimy raha kely. Mbola hoentina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny PSE, izay voarafitra anaty pejy miisa 300.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT