Fampianarana

Fanonerana ny fotoana tsy nianarana Namoaka naoty sy tetiandro ny minisitera


  • Talata 15 Febroary 2022

Namoaka tenimita na « note circulaire » mikasika ny fanonerana ny fotoana tsy nianarana Minisiteran’ny fanabezam-pirenena mba hisian’ny rindran-damina.

 Ho fanajana ny lamina ara-pedagojika mifandraika amin'izay voarindra manaraka ny fitsinjarana ny votoatim- pibeazana isan-taona na « Repartition Annuelle des programmes scolaires » sy ho fanonerana ny fahatapahan'ny fampianarana teto amin'ny firenena (rivodoza sy valan'aretina Covid-19) dia misy ny lamina apetraky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena mba ahafahan'ireo sekoly manantanteraka "séances de rattrapage". Toy izao izany, araka ny tenimita laharana 2022/089/MEN/SG nivoaka ny 11 febroary : ho an'ny roa volana fahatelo, dia ny alatsinainy 28 febroary 2022 hatramin'ny zoma 4 faha Martsa 2022, ary ny alatsinainy 11 Aprily 2022 hatramin'ny zoma 15 Aprily 2022 kosa ho an'ny roa volana fahaefatra. Irariana mba hizotra an-tsakany sy an-davany amin’izay ny fampianarana ireo zaza Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT