Fampianarana

Fanombohan’ny BEP Nizotra tao anatin` ny filaminana


  • Talata 22 Septambra 2020

Nanomboka omaly ary haharitra 4 andro ny fanadinam-panjakana BEP (Brevet d’Etude Professionnel)

 

 eo amin` ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak` asa ka ny taranja Malagasy no nisantarana izany. Raha ho an` ny tetsy LTP Alarobia dia iray tamin`ireo mpiadina maherin` ny 500 isa no tsy tonga. Marihana fa “specialité’’ miisa telo izay mizara asa dimy no notanterahina tetsy amin` ity ivon-toeram-panadinana ity. Miisa 302 ireo mpiadina nisafidy ny “électro-technique », izay mizara asa roa: Technicien de communication (161) sy audio-visuelle (62). Ho an` ny « fabrication mécanique » indray dia miisa 125 no nisafidy ny « tourneur » (124) ary 29 kosa ny « fraiseur ». Ankoatra izay dia nanamafy kosa ireo tompon’andraikitra eo anivon` ny LTP Alarobia fa efa miomana amin`ny fampidirana taona voalohany ity sekoly ity. Amin`ny 01 sy 02 oktobra ny fifaninana hidirana ao amin` ity sekoly teknika ity ka manomboka ny 28 septambra izao ny fangalàna taratasy fiantsoana ho an` ireo izay mbola tsy nahazo izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT