250.000 Ar isaky ny ankizy raha kely amin’izao ny lela-vola tsy maintsy homanin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ho an’ny zaza iray hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2021-2022 .
Manodidina ny 100.000 Ar eo ho eo ny fanavaozana ny sara-pisoratana anarana raha 150.000 Ar eo ho eo kosa no tontalin’ny fitaovam-pianarana indrindra fa ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina mampiasa ny teny Frantsay. Tsy misy izay tsy mikaikaika araka izany ireo Ray aman-dReny. Tsy maintsy hatrehina ihany koa mantsy ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro nefa tsy lazaina intsony ny fidangan’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nofy sisa araka izany izany fialan-tsasatra lehibe izany ho an’ny rehetra. Ato anatin’ny 4 herinandro monja mantsy izany hoe : mandritra ity volana Aogositra ity no hanomanana ny fidiran’ny mpianatra fa tsy misy fotoana ankoatra izay. Mba misy ihany ireo sekoly malahelo manoloana izany ka manome fanalefahana amin’ny fividianana fitaovam-pianarana. Ao anatin’ny 3 volana no handoavana izany ka isaky ny mandoa saram-pianarana rehefa faran’ny volana dia mandoa vidina fitaovana ihany koa. Horaisin’ny sekoly an-tanana avokoa aloha ety am-piandohana ny fividianana ny fitaovam-pianarana rehetra araka izany ary efaina tsikelikely aorian’izay. Na izany aza anefa tsy mampaninona ny sekoly ihany koa ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ireo Ray aman-dReny manana ny fahafahana ny hividy avy hatrany izany fa tsy hiditra amin’io fanalefahana io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.