Fampianarana

Fanomanana ny bakalorea –Boriboritany faha 4 Hanomboka amin’ny alatsinainy ny « Cours » maimaimpoana


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Araka ny toromarika azo avy tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Ramatoa Lalao Ravalomanana,

 

 

 

dia nandray andraikitra ny boriboritany faha efatra nanome fampianarana cours maimaipoana Faradoboka ho an’ireo ankizy mpianatra izay hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izay hanomboka ny alatsinainy ho avy izao. Izany cours maimaimpoana Faradoboka izany dia nampitondraina ny lohateny hoe « Sopapa farany ».Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny mba hanampiana ireo mpianatra amin’izao ankatoky ny fanadinana izao, ary indrindra mba hananan’ny tanora mpianatry ny tanànan’Antananarivo fari-pahaizana tsara. Araka izany dia omena ireo ankizy ireo ny fahalalana ampy sy sahaza azy amin’izao cours Faradoboka izao hahafahany miatrika soa aman-tsara ny fanadinana baccalauréat amin’ny herinandro ho avy io.Marihina fa notsongaina manokana ireo mpampianatra nampita fahalalana, ka ny taranja fototra ho an’ny sokajy A no nosafidiana hampitaina amin’ireo ankizy.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT