Fampianarana

Fanohizana fianarana any ivelany Mila fiomanana tsara


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Nanomboka omaly zoma 1 martsa etsy amin’ny hotel Carlton Anosy ary hifarana anio sabotsy 2 martsa ilay “Salon des études Internationales” andiany fahafolo karakarain’ny Madajeune.

 

 

 

Toeram-pampianarana ambony avy any ivelany am-polony no miara-mandray anjara amin’izany ka  ny tanjona dia ny hampahafantaran’ireo tanora Malagasy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny fahafahana manohy fianarana any ivelany, araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune. Raha maniry ny hanohy fianarana any ivelany dia tsy maintsy homanina mialoha ny vola ilaina, ny trano hipetrahana any an-toerana, ny taratasy hahafahana mivoaka ivelan’i Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’ireo ny lalam-piofanana arahina. Nampiavaka ity andiany fahafolo ity ny fisian’ireo oniversite lehibe avy any Aostralia, Maorisy, Inde ary Indonezia.  Misy hatrany ny kaonferansa hanomezana valiny ireo fanontaniana manitikitika ny ray aman-dreny sy ny mpianatra mandritra izao Salon izao. Isaky ny adiny iray no hanatanterahana izany iarahana amin’ireo tompon’andraikitra  efa matihanina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT