Fanohizana fianarana

any ivelany Frantsa sy Kanada no tena be mpifidy


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Maro ireo mpianatra malagasy te hanohy ny fianarany any am-pitan-dranomasina, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Andafy study,

saingy olana ny ara-bola. Antony io, hoy ny mpitantana ity orinasa mpikarakara izany ity, Dina Randria, hampahafantarany ny momba ny tokony atao mikasika izany ny 24 sy 25 aogositra eny amin’ny Analamanga hotel Tanjombato. Miisa 3000 eo ny ankizy eto Madagasikara mandeha manohy fianarana any an-dafy isan-taona. Kanada sy Frantsa no tena betsaka mpifidy. Izay mahaloa saram-pianarana dia efa alamin’ilay oniversite mandray azy ny taratasy mikasika izany na “visa”, hoy hatrany ny fanazavana. Manodidina ny 30 tapitrisa Ariary hatramin’ny 80 tapitrisa Ariary isan-taona no totalin’ny vola lany amin’izay fanohizana fianarana any ivelany izay, hoy hatrany ny fanampim-baovao voaray.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT