Fanohizana fianarana any ivelany

“2000 Dolara no mora indrindra”


  • Talata 06 Febroary 2024

Kanada, Etazonia, Alemanina, Malezia, amin’ny ankapobeny,

no firenena mamparisika indrindra ireo mpianatra malagasy manohy fianarana any am-pitan-dranomasina, raha ny fanazavan’ny Fan education agency, izay sampan-draharaha mpandefa mpianatra any ivelany, tetsy amin’ny Centell Antanimena omaly. Ny fivoarana amin’ny maha olona no tena mahatonga ireo mpianatra hanohy fianarana any ivelany, hoy ny tale jeneralin’izy ireo, Jacky Fanambinana. Te hahita zava-baovao amin’ny fiainana izy ary te hivoatra amin’ny maha olona azy, hoy izy. Ireo no tena hita misongadina hatreto. Raha afaka Bakalorea, eny, na lisansa aza, izy, ohatra, eto dia mbola mipetraka amin’ny ray aman-dreny. Misakana ny fananany fahaleovantena nefa izay. Io fahaleovantena io no mampivoatra amin’ny maha olombelona nefa. Ny fahazoana asa kosa dia miankina tanteraka amin’ny fahaiza-manaon’ny tsirairay na aiza na aiza eto ambonin’ny tany io. Mahafaly ny milaza amintsika fa ny mpianatra nalefanay tany dia misy tsara ny miverina eto Madagasikara ary maro no miasa amin’ireo orinasa eto an-toerana fa misy misafidy hijanona any ivelany koa. Manampy ireo mpianatra amin’ny fikarakarana antotan-taratasy sy ny fitadiavana ny trano hipetrahany izahay. Manomboka any amin’ny 2000 Dolara any ny saram-pianarana miaraka amin’ny fiainana any ivelany mandritry ny herintaona raha ho an’ny firenena aziatika. Izay no mora indrindra. Arakaraky ny fiakaran’ny vidim-piainana ao amin’ilay firenena moa io. Ny zoma 9 sy sabotsy 10 febroary izao ao amin’ny Novotel Alarobia, ho an’ny eto Antananarivo, ary ny 7 febroary ao amin’ny The Streamliner, ho an’ny ao Toamasina, moa no hanatontosana ny hetsika “Education global expo” ho an’ireo izay te hamantatra ny andinindininy mikasika izanay rehetra izany. Miisa 20 ireo oniversite sy sekoly ambony ho hita eny amin’ireo toerana ireo izay saika oniversitem-panjakana any ivelany avokoa ary ity izany no andiany faha 6 amin’ny hetsika ho an’Antananarivo tao anatin’izay 8 taona nisian’ny Fan education agency izay, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT