Fampianarana

Fanohizana fianarana any Inde Hampahafantarina etsy amin’ny CNeLA Antsahabe


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Anisan’ny firenena iray manana oniversite betsaka sy matanjaka indrindra Inde maneran-tany. Raha araka ny fantatra mantsy dia mahatratra 6.000 isa izy ireo, antony hahafahany mandray mpianatra 50.000 isan-taona avy amin’ny firenen-kafa toa an’i Madagasikara.

 

 

 

 

 Ho antsika  eto an-toerana manokana dia fantatra fa mahatratra 15 isa isan-taona ireo mpianatra mahazo tombontsoa amin’izany, amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana  miampy ireo mpiasa miisa 100 isan-taona izay fantatra ihany koa fa mivelona any an-toerana. Mba hahafahan’ity firenena iray ity mampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy hahafahany mandray mpianatra Malagasy ary dia tanterahina etsy amin’ny Cnela Antsahabe manomboka rahampîtso zoma ny varavarana misokatra mifandraika amin’izany. Haharitra roa andro izany ka anisan’ny  tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahan’izy ireo mampahafantatra ireo karazana fepetra tokony ho fantatry ny mpianatra toy ny fikarakarana ny antontan-taratasy….Tsiahivina moa fa saika misy any amin’ireo oniversite any Inde ireo avokoa ny lalam-piofanana rehetra ankoatra ny fianarana ho mpitsabo ihany na ny médecine.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT