Fampianarana

Fanohizana fianarana any Frantsa Mila manana 115 Euros isam-bolana fara fahakeliny


  • Zoma 08 Janoary 2021

Tanterahana ao amin’ny IFM Analakely rahampitso sabotsy 09 Janoary ny hetsika « Salon des études en France »,

 

 

 karakarain’ny Institut Français de Madagascar sy ny Campus France. Natao hanampiana ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany izy ity, raha ny fanazavana, no sady hanoroana azy ireo ny karazana antontan-taratasy ilaina ihany koa. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fitsapam-pahaizana teny Frantsay tsy handoavam-bola ho an’ireo mpianatra liana. Manome torohevitra ireo ray aman-dreny manan-janaka maniry ny hanohy fianarana any ivelany ihany koa anefa ny IFM mba hampanohy fianarana ny zanany afaka bakalorea 2 na 3 taona amin’ireo oniversitem-panjakana na oniversite tsy miankina nahazo alalana avy tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amintsika aloha vao alefa any noho ny fahasamihafan’ny fiainana any sy eto. Lafo be, hoy ny mpikarakara ny fanohizana fianarana any Frantsa satria mila manana 115 Euros isam-bolana eo ny mpianatra iray fara fahakeliny. Nanano sarotra ny fikarakarana taratasy farany teo noho ny valanaretina ka voatery natao ampitain-davitra noho izany. Nahavita nandefa mpianatra miisa 700 izahay tamin’ity na izany aza. Manodidina izay hatrany rahateo koa ireo mpianatra lasa isan-taona, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende: Tetsy amin’ny IFM omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT