Fampianarana

Fanohanana ny sehatry ny fanabeazana Mpiara-miombon’antoka 8 no vonon-kanampy


  • Talata 13 Septambra 2022

Mpiara-miombon’antoka miisa valo no fantatra fa niara-nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala,

omaly alatsinainy 12 septambra 2022 ho fanatsarana sy hanohanana ny sehatry ny Fanabeazana. Anisan’izany ny « Fondation BOA » ; ny fikambanana « Antilin’i Madagasikara » ; ny « Jeune Advantiste » ; ny fikambanana « Kiadin’i Madagasikara » ; ny « ONG DEFI » ; ny « Autisme Fédération de Madagascar » izay miara-miasa amin’ny « Orange Solidarité Madagascar » ; ny fikambanana « Kolo Zaza Malagasy » ary ny « SEED Madagascar ». Asa fanavaozana sekoly ; fanabeazana ho olom-banona sy fampianarana fahaiza-miaina ; fanomezana fiofanana ho an’ireo mpanabe zaza sy ankizy « autiste » ; fanomezana fanabeazana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo zaza madinika ; ary fanomezana fampianarana mikasika ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa, no niompanan’ireo fiaraha-miasa natao sonia ireo. Nankasitraka sy nanantitra ny fisaorana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ireo ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, ary nanamafy fa mbola vonona hatrany ny amin’izay mety ho fitohizan’ny fiaraha-miasa na izay fomba hanitarana ireo tetikasa ireo izay hisandrahaka manerana ny Nosy.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ny fifanaovan-tsonia vita omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT