Fampianarana

Fanohanana ny fanabeazana tanora Am-perinasa ny Fikambanana Perfect Madagascar


  • Alarobia 03 Mey 2023

Fikambanana iray anisan’ny tena tsy mialonjafy eto amintsika ny fikambanana Perfect Madagascar tarihin’ny filohany Sylvia Ranaivojaona.

Ankoatra ny fanampiany ireo karazana fikambanana maro samihafa mantsy dia manohana ny resaka fanabeazana ny tanora eo anivon’ny fiangonana ihany koa izy ireo. Efa betsaka ireo nahazo fanampiana sy tolo-tanana taminy noho izany. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny foiben-toerany teny Ambatoroka ny fijoroan’ny fikambanana ara-panjakana. Fantatra nandritra izany fa misokatra ho an’ny rehetra ny fikambanana ary vonona hanasoa ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka asa izay nomarihin-dRtoa Sylvia Ranaivojaona fa mbola mila fanamboaranabe ho antsika eto Madagasikara raha tiana ny handroso. Mikasika ireo mpiasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba manokana dia notsindriany fa efa manao izay mety ny inspection de travail saingy na izany aza dia notsindriany fa tokony hihetsika mafy ny fanjakana ho fanajana sy ho fiarovana ny zon’ireo mpiasa Malagasy.
Pati
Legende : Ramatoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT