Fampianarana

Fanohanana ireo mararin’ny homamiadana


  • Talata 04 Aprily 2023

Namarana tetikasa miisa 2 ny mpianatry ny INSCAE

Notontosaina ny 1 Aprily teo ny famaranana ny tetikasan'ireo mpianatra 6 mianadahy , taona faharoa avy amin'ny « Institut National des Sciences Comptables et de l'Administration d’Entreprises » na INSCAE. Tetikasa amin'ny taranja antsoina hoe "Comportement du Manager" na ny tokony ho fihetsika sy fitondran-tenan’ny atao hoe mpitarika izy ity, hoy ny fanazavana. Miara-miasa amin'ny orinasa izay safidiany ireo mpianatra ao anatin’izy ity. Ny klinika Ivokoloaina, any Ambohimamory Itaosy, izay klinika tsy miankina misehatra amin'ny homamiadana no safidin’ireto mpianatra ireto. Miisa 2 ny tetikasa notanterahana. Ny voalohany dia fanentanana momba ny homamiadana amin'ny alalan'ny velankevitra na "conférence", izay notontosaina tao amin'ny sekoly miisa 3 samihafa toy ny INSCAE, ESSCA, Saint Michel Amparibe ary tao amin'ny “Office National du Tourisme à Madagascar” na ONTM ihany koa. Ny tetikasa faharoa dia ny fanitarana ny Kolomahaolo. Ny Kolomahaolo dia tsy hafa fa sampana ao anatin'ny klinika Ivokoloaina izay entina anohanana ireo marary sy ireo havan'ny marary amin'ny alalan'ny hetsika ara-javakanto toy ny poezia, hosodoko, mozika, resadresaka sy ny fampihetseham-batana toy ny tai chi sy dihy. Tanjona faharoa ny hoe mba tsy hijanona ho an'ireo marary ihany ity Kolomahaolo ity fa mba hisitraka azy koa ireo olona manodidina. Nanatontosa fanadihadiana teo anivon'ny fiarahamonina, noho izany, ireto mpianatra ireto mba ahalalany ny mandrisika sy manintona ny olona. Taorian'izany fanadihadihana izany dia tapaka fa miampy haiady sy fampianarana teny vahiny ny hetsika ao amin'ny Kolomahaolo, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT