Fanodinkodinam-bola 114 tapitrisa Ar

Talem-paritry ny fampianarana teknika nidoboka am-ponja


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

N Naiditra am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo ny Talem-paritry

ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ao amin’ny Faritra Menabe sy ireo olona roa izay mpitantana orinasa tsy misy (fournisseurs fictifs) ao Morondava. Fanaovana hosoka tamina tsenam-barom-panajakana izay nanomezana tombontsoa orinasa sy mpivarotra tsy nisy akory no anton’izany. Volam-panjakana mitentina 113 951 000Ar na 114 tapitrisa latsaka kely no voaodina tamin'izany hoy ny vaovao.Arahin'ny Fitsarana maso kosa ny lehiben'ny fitantanam-bola sy ny mpiandraikitra ny Tsenam-baro-panjakana any an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanomboka tamin’ny taona 2020 no nisian’io fanodinkodinam-bola io ka hatramin'izao taona 2023 madiva hifarana izao. Nisy koa ny fandroahana mpiasa vakatera tsy ara-drariny ka nampidiran’Ingahy tale ny vadiny sy ny anabaviny tamin'ny toeran'ireo banga. Nahazo fahafahana vonjimaika moa ny vadin'ingahy tale sy ireo mpiasa izay mpikambana tao amin'ny "Commission d'Appel d'offre" raha tsy eto an-toerana sady tsy mbola nandray ny asany kosa ny anabavin'ingahy tale nefa nanomboka tamin'ny Martsa taona 2022 no tafiditra ho mpiasa tao amin’ity sampandraharaha ity DRETFP ka mbola mandray karama foana hatramin'izao.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT