Fampianarana

Fanefana saram-pianarana Sahirana ireo ray aman-dreny


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Ho anay teto amin’ny sekoly tsy miankina Ampinga d’Or, hoy ny talen-tsekoly ao an-toerana,

 

 

 

Tahiry Manampisoa, dia paikady napetraka niatrehana sy mbola iatrehana ny zava-misy nateraky ny Coronavirus ny nanatanterahana hatrany ny hoe ireo nahazo ny salan’isa ihany no nampiakarina kilasy. Volana martsa no nanomboka ny fihibohana ary efa nizara boleta 3 volana faharoa izahay tamin’izany. 3 volana fahatelo ihany, noho izany, no tapaka tao anaty fihibohana. Izay no nahatonga ilay fanapahan-kevitra voalaza teo. Hiditra 3 volana faharoa indray izao ny taona manaraka ary hita nahatsara ny vokatra ihany satria tena nifindra fa tsy nafindrafindra fotsiny ireo mpianatra. Raha tsy misy ny sampona dia vintanay anaty 3 volana faharoa ny fandaharam-potoana rehetra, hoy hatrany ity talen-tsekoly etsy Ambohimanarina ity. Isan’ireo sekoly tsy miankina tsy nisitraka fanampiana tamin’ny fanjakana moa izahay tamin’ireny saingy tsy naka 10 volana tamin’ireo ankizy mba ho fitsinjovana ireo sahirana satria na dia ny toe-draharaha mikasika ny orinasa iasan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra aza mbola tsy tomombana ka mila hanabeazam-boho ny fifampiresahana izany. Tsy maintsy misy ny marimaritra iraisina eo amin’ny fanefana saram-pianarana sy fisoratana anarana. Efa ela, hoy hatrany izy, no narary ny fanabeazana eto amintsika ary mitotongana izy io ka na tsy hijery anay sehatra tsy miankina aza ny fitondram-panjakana dia aoka mba hijery ny FRAM satria raha firenena no arenina aorian’izao krizy izao mety ho vita anaty 5 taona ihany fa raha ny fanabeazana eto amintsika mety mbola mila any amin’ny 20 taona fara fahakeliny any.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT