Fampianarana

Fandraisana mpampianatra mpikaroka Tsy mangarahara, ahiana ny kolikoly an-tapitrisany Ariary


  • Zoma 04 Jona 2021

Mametraka ahiahy momba ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra tsy raikitra na « vacataires »

 

 eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana, indrindra ny eto Antananarivo. Ambaran’izy ireo, fa tsy misy komisionina mazava momba ny fandraisana ireo ho mpampianatra mpikaroka vaovao. Raha any amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana, ohatra, mba misy mazavazava ny pitsopitsony sy fepetra ahafahana mandray mpampianatra iray ho mpiasam-panjakana, saingy milaza ireo eo anivon’ny sehatry ny anjerimanontolom-panjakana, fa mbola manjavozavo tanteraka kosa ny azy ireo. Na ny komity aza tsy misy, tsy fantatra mihitsy hoe iza no mandray an-tànana sy mandinika izany. Tsy fantatra ny fomba fandinihana ny dosie, ary miahiahy sy milaza ho maheno siosion-dresaka izy ireo, fa izay fantampatatry ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony ihany no raisina. Mahatratra hatrany amin’ny 700 anefa ny fangatahana miandry ho an’ireo mpampianatra tsy raikitra maniry horaisina ho mpiasam-panjakana. Misy ihany koa ny feo mandeha sy ny ahiahy fa amidy 12 hatramin’ny 20 tapitrisa ariary ny toerana iray, araka ny fanamarihana. Tsy misy fangaraharana tanteraka mihitsy avy amin’ny Minisitera mpiahy, ka tokony hiteny sy hivoaka ao anatin’ny fihibohany ny minisitra, hoy ny antso avo. Amin’izao misy “poste budgetaire” 100 eo, izay tsy ampy mihitsy satria nisy ny mpampianatra namoy ny ainy izay manodidina ny 50, ka tokony hisy ihany koa ny “remplacement numérique”, hoy ireo mpampianatra. Isan’ny fanamarihan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy fandraharahana eny amin’ny anjerimanontolo ny hoe: tsy misy olona tena afaka mahazo ny minisitra, tsy tena miresaka izy, mangina tsy re feo, kanefa fotoana tena ilàna azy izao, fotoana tokony hiadiany ny tombotsoan’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha izay efa misy am-polo taonany tsy nisy fijerena, hoy hatrany ny fanairana. Efa nangatam-panazavana momba ny fangaraharahana amin’ny fandraisana ireo hahazo ny toerana 100 sy ny resaka famindran-toerana ihany sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka (SECES), izay manahy amin’ny ho avin’ny fampianarana ambony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT