Fampianarana

Fanavaozana ny rafi-panabeazana Ny ny 1 sy 2 aogositra izao ny fikaonan-doha nasionaly


  • Zoma 29 Jolay 2022

Notanterahina omaly alakamisy 28 jolay ny fikaonan-doha nasionaly ho an’ny fanovana ny rafi-panabeazana.

Vaindohan-draharaha amin’ny politikam-pampandrosoana malagasy ny tontolon’ny fanabeazana. Izany indrindra no antony handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany, izay ho votoatin-dresaka mandritra ny fivoriamben'ny Firenena mikambana.Ho fanomanana izany dia hisy ny fikaonan-doha nasionaly, izay hotanterahina ny 01 sy 02 aogositra ho avy izao, eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato. Ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak’asa, miaraka amin’ny UNESCO sy ny UNICEF, no mikarakara ity fikaonan-doha nasionaly ity. Hivoitra manodidina lalan-kevitra miisa dimy lehibe ny dinika mandritra izany. Anisan’ireny ny resaka sekoly mampiaty, ny miralenta azo antoka sy madio. Ny fampianarana sy ny fahaiza-manao hiatrehana ny fiainana, ny asa ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy.Ny tontolon’ny mpampianatra, ny kalitaom-pampianarana sy ny asa fampianarana. Ny fampianarana nomerika sy haitao vaovao ary ny fampiakarana ny famatsiam-bola ho an’ny fanabeazana. Handray anjara amin’ity fotoan-dehibe ity avokoa ireo hery velona sy mpisehatra rehetra eo anivon’ny Fanabeazana manerana ny nosy.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT