Fanavaozana ny rafi-pampianarana

Raikitra ny fikaonandoham-pirenena


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

Nosokafana omaly teny amin’ny

CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Fanabeazana sy ny Fampianarana, nokarakarain’ny « Coalition Nationale Malgache pour l’Éducation pour Tous » na ny CONAMEPT. Lohahevitra ifantohany ny hoe : « Fampianarana amin’ny fomba vaovao ho an’ny fanovana an’i Madagasikara: fanavaozana ny rafim-pampianarana mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny « Plan Sectoriel de l’Éducation (PSE) 2026-2030 ». Natao ho sehatra hifampizarana sy hifampiresahana momba ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, manomboka amin’ny ambaratonga fototra ka hatramin’ny ambaratonga ambony. Nampahatsiahivin’ny Mpanolotsaina Avo fa andraikitra lehibe ny an’ny Fanjakana amin’ny: famporisihana ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly, fanohanana ny mpampianatra amin’ny andraikiny, fanatsarana ny fotodrafitrasa, ary fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nanokatra Lietnà Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA, Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanatrika ihany koa ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa Hanitriniaina Elisa Karena, ny Minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Ramatoa Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina, ary ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana Araka Asa, Andriamatoa Tsilefa Antonio. Araka ny nambaran’ny Lietnà Kolonely Gervais, fototry ny fandrosoan’ny firenena ny fanabeazana, ka izany no maha zava-dehibe ity fikaonandoha nasionaly ity, izay voalohany amin’izo fitondram-panjakana vaovao izao. Nisaotra manokana ireo mpikarakara sy mpiara-miombon’antoka rehetra izy noho ny fandraisana anjara. Nohamafisiny fa ny minisitera telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara no misolo tena ny Fanjakana amin’ity fikaonandoha ity, eo ambany fandrindran’ny Minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana. Nomarihina fa fanombohana ihany izao, fa mbola maro ny dingana sy asa hotanterahina ho fanohanana ny fanavaozana, na eo amin’ny sehatry ny fanabeazana na amin’ny sampan-draharaham-panjakana hafa. Navoitra hatrany fa tsy fanagasiana no tanjona amin’izao hetsika izao, fa fanandratana ny maha-malagasy amin’ny lafiny toe-tsaina sy ny teny. Tsy hamaivanina ny teny vahiny, saingy ny fahaizana sy fanajana ny teny malagasy dia soatoavina lehibe ho an’ny firenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT