Fanatsarana ny kalitaon'ny

fampianarana ambony Mikaon-doha any Mantasoa ireo mpisehatra isan-tsokajiny


  • Zoma 24 Janoary 2025

Tanterahina nanomboka omaly 23 sy anio 24 janoary 2025 ao Mantasoa ny atrik’asa karakarain'ny

Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa momba ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana nampitondraina ny lohahevitra « Réflexion nationale sur la qualité de l’enseignement supérieur ». Mandray anjara ao avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana ambony, ny vondron’ny Profesora eto Madagasikara, ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST, ireo Filoha mpisolo toeran’ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary ny mpikambana avy ao amin’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra (SECES). Tafiditra ao anatin’ny fanamby goavana apetraky ny fitondram-panjakana amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambony eto Madagasikara, ka mahatsiaro manana adidy amin'izany ny Minisitera, hoy ny Fiadidian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony tarihin’ny Pr CHAMINAH Loulla. Nialohavana fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra rehetra ireo ity atrik’asa ity, ary niara-niaiky ny rehetra fa nihen-danja ny kalitaon'ny fampianarana. Noho izany, kendrena ny hitondrana vahaolana sy handraisana ny hevitry ny maro manoloana io fidinan'ny kalitaon'ny fampianarana io. Aorian'ny atrik’asa dia hisy ny fehin-kevitra hivoaka. Isan’ny lahadinika ny fomba fitantanana eny anivon'ny Oniversite sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Hojerena ihany koa ny fepetra ara-tsiansa amin'ny fampitoviana ny lanjan'ny ny diplaoma "Doctorat" sy "Habilitation à Diriger des Recherches" ary ny fijerena manokana ny fahaiza-manaon’ireo hisehatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony. Tafiditra amin’izany ny fanajana ny soatoavina, ny fitondran-tena sy etika ary deontôlôjia, hoy ny fanazavana. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa omaly 23 janoary 2025 ny Minisitra Pr CHAMINAH Loulla notronin’ireo tompon’andraika ambony maromaro eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT