ireo diplaoma hosoka»
Olom-pirenena tsotra, tsy afaka ny hangina fa miezaka mitondra soson-kevitra satria namana ireo Minisitra, hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8FM. Nanamafisiny fa tsy afaka ny hangina manoloana ny zavatra tsy mety. Mitondra ny anjara biriky amin'ny maha olom-pirenena. Nisy ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny fampianarana ambony, ary mety mbola hitohy amin’ireo Minisitra hafa. Niara-niaiky fa mila fanarenana ny fampianarana, lasa fanenjehana diplaoma ny rafitra, mitombo be ny diplaoma hosoka hakana toerana, ka olona tsy manana fahalalana no atao tompon'andraikitra,... Eo amin'ny Iraisam-pirenena dia lasa atao lisitra mainty isika ka na ireo manana diplaoma ara-dalàna aza sahirana. Tsy maintsy diovina satria na tao anaty Fanjakana aza dia nisy voatonona fa nanao "faux-diplome" kanefa nomena toerana. Tsy fanenjehana olona fa zon'ny Fanjakana sy ny Minisitera ny manao fanadihadiana miaraka amin'ny FOP. Misy tsy mpampianatra akory, tsy fantatra ny nahazoany diplaoma, tsy fantatra ny Collège des enseignants nankatoa ny diplaoma,... « Efa anananay ny lisitra hatramin’ny laharana « matricule » hoe olona tsy tokony ho ao anaty Mpampianatra Mpikaroka kanefa tsy tokony ho ao, ary misy tsy manana fandavan-tena hampianatra fa resaka karama fotsiny izay mamotika ny kalitaon’ny fampianarana », hoy hatrany ny Pr Jonah Ratsimbazafy. Betsaka ny diplaoma hosoka: any amin'ny Minisiteran'ny vola, Minisiteran'ny fambolena,... dia andao, hoy izy, hodiovina sy hosivanina hojerana, ary raha nanao ny marina tsy tokony hatahotra an’izany, raha ny fanehoan-kevitr’ity manam-pahaizana ity. Ny karaman’ny olona iray any mahaloa karamana mpampianatra 5 na 3. Matoa ny Oniversite mandeha dia ny « vacataires » no mampandeha azy, izaho 23 taona « vacataires », ny diplaomako tsy hosoka tany New York, tonga teto aho nametraka ny dosieko tao amin’ny MESUPRES very foana, iza no nanary azy, izaho tsy nanome vola ary tazoniko foana izay, hoy izy. Misy oniversite 60% amin’ny mampandeha azy dia ny «vacataires », tsy afaka migrevy, karama tamin’ny 2019 izao vao alefa tsikelikely,… Betsaka ireo zandry sy tanora misetra izany, misy 10 taona, 15 taona,… hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy naneho ny zava-misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.