Fampianarana

Fanaovana tsinontsinona ny mpampianatra Tsy azo ekena, hoy i Maitre Olala


  • Talata 10 Jolay 2018

Nivondrona sy naneho ny alahelony tetsy an-tokotany malalaky ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy indray omaly ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny mandatehezan’ny fanabeazana.

 

Raha ny vaovao marim-pototra voarain’izy ireo dia novalian’ny fitondram-panjakana ny fangatahana nataon’ny mpiandry fonja sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ka samy nahazo 80.000 Ar isan’olona izy ireo. Amin’ny faran’ny volana dia efa hilatsaka ao anatin’ny « bon de caisse » izany. Naneho ny heviny mikasika io tranga io ny maitre Willy Razafinjatovo na Olala. Nambarany fa tsy azo ekena ny fanaovana tsinontsinona mpampianatra. Ekena fa efa ela ny nanao fangatahana ny mpiandry fonja sy ny mpiraki-draharaha saingy tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny mpampianatra izay misy mamoy ny ainy novonoin’ny dahalo mihitsy noho ny asa fanabeazana ny zana-bahoaka tanterahiny. Miantso ireo mpampianatra mba tsy ho kivy amin’ny fitakiany ity mpahay lalàna iray ity. Nomarihiny manokana fa tsy manambady angamba ireo mpampianatra dia tsy atahoran’ny fitondram-panjakana. Mikasika ireo mpampianatra manokana dia nanamafy izy ireo fa mbola mipetraka hatrany ilay iray volana hangatahiny amin’ny fanjakana hanaovana famerenana aorian’ny fivalian’ny fitakian’izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT