Fampianarana

FANAMPIAN’NY FANJAKANA NY EPP 100.000 Ar isan-taona monja, voatery mitady fanampiana ny Kaominina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Mbola 100.000 Ar isan-taona isaky ny sekoly ambaratonga fototra monja hatramin’izao

ny mba fanampiana omen’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena azy ireny. Antony tsy hahafahana mikarakara na manavao ireny karazana foto-drafitrasa ireny izany na dia efa tena trotraky ny natiora azy, antony manosika ny Kaominina eny ifotony hitady fanampiana. Ho an’ny Kaominina Ampitatafika Atsimondrano manokana ohatra dia tonga nanampy ny EPP ao Ambohimahitsy ny fikambanana Lions Club Antananarivo Iarivo afak’omaly Sabotsy 14 Septambra. Fanomezana dabilio miisa 15, fandokoana ny atiny sy ivelan’ny trano, fikarakarana ny trano fivoahana sy fidiovana no nataon’izy ireo tamin’izany taorian’ny fangatahana nataon’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Nambaran’ity Ben’ny tanana ity tamin’izany fa tamin’ny taona 2016 no vita ity EPP ao Ambohimahitsy ity. Fokontany miisa 3 amin’ireo 13 ao aminy sisa noho izany no tsy manana EPP, asa maika izay tsy maintsy hotanterahiny raha sitraky ny ao Ambony. Mbola kandida Ben’ny tanana mantsy ny tenany ka ny sehatry ny Fampianarana hatrany no laharam-pahamehana. Afaka roa taona ohatra dia nambarany fa efa neken’ny Irlande du Nord ny fanavaozana ny EPP ao Ampitatafika amin’ny alalan’ny tenany manokana. Nomarihiny manokana moa fa tsy tokony avelan’ny fanjakana irery amin’ny Kaominina ny fikarakarana ireny foto-drafitrasam-pampianarana ireny fa tokony hifanome tanana ny roa tonta.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina ny Sabotsy teo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT