FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA

Nankasitraka ny mpiara-miasa aminy Fikambanana TAMA


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Ankoatra ny fikambanana Tanora Actif an’i Madagasikara izay hivondronan’ireo tanora liana amin’ny asa

fampandrosoana eto Madagasikara dia tsy manao antsirambina ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Manerana ireo Boriborintany 6 eto an-drenivohitra no ahitana izany, mijery ireo zokiolona tsy misy mpiahy, ireo Reny mananontena, ny ankizy kamboty…. Nankasitraka manokana ireo mpiara-miasa aminy araka izany ity Renim-pianakaviana iray ity."Raha tsy misy anareo aho dia tsy mandeha ny asa fanampiantsika ny mpiara-belona ka sambatra aho manana anareo ary misaotra sy mankasitraka indrindra ny amin'izany" hoy izy niantefa manokana tamin’ireo mpikambana. Narahiny fanolorana nofon-kena mitam-pihavanana nahitana vary sy hena izany niaraka tamin’ny valopy ho fankasitrahana ny isam-batan’olona. Miisa 150 moa ireo mpikambana nisitraka izany izay mbola vonona hatrany ny hanohana ny mpiara-belona ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : isika mpandresy.
Pati
Legende : Neny Rija Ethel, nanolotra ny fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT