Fampianarana

Fanampiana ireo tsy ampy enti-manana hanohy fianarana Hiara-hiasa ny banky sy sekoly ambony tsy miankina


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tontosa ny fifanaovan-tsoniam -piaraha-miasa teo amin’ny sekoly ambony tsy miankina ESUM etsy Andavamamba sy ny NIM na ny banky malagasy “Nouvelle institution de micro finance” ny faran’ny herinandro teo.

Naompana tamin’ny fanampiana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mbola te hanohy fianarana ambaratonga ambony kanefa tsy afaka manao izany intsony noho ny tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny ho enti-manana izy ity, hoy ny fanazavana. Ny fanomezana tolotra ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fahafahana mindram-bola amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola madinika na ny « Micro finance » no endrika isehoan’ny fanohanana. Araka izany dia fampindramam-bola izay natokana amin’ny filana eo amin’ny fianaran’ny mpianatra tahaka ny saram-pianarana sy ny manodidina izany ka alaina ao amin’ny « NIM » ary azo aloha tsikelikely no anjara biriky entin’ny 2 tonta hanalana sahirana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Nisy fifanakalozan-kevitra nampahafantarana ny lanjan’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izay notontosain’ity sekoly ambony ity. Singa iray hahafahana mampandroso ny firenena io. Anisan’ireo sekoly manasongadina ny sehatry ny teknolojia ny sekoly ary isan’ny manaporofo izany ny fiaraha-miombon’antokany amin’ny « Centre d’étude Franco-américain de Management » na CEFAM any Lyon, Frantsa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT