Fampianarana

Fanamparam-pahefana any Bongolava Nosamborina ny DREN, misy olom-boafidy voatonotonona


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Misy olana ao amin’ny DREN Bongolava. Nosamborin’ny manampahefana omaly ny DREN ho an’ny faritra Bongolava sy ny sefo ZAP Ambalanirana ,

mpampianatra iray niampy olom-boafidy hafa. Efa betsaka loatra mantsy ny fitarainana nataon’ireo mpampianatra any an-toerana mikasika ny fanamparam-pahefana sy fakana vola tsy ara-drariny nataon’i DREN Bongolava sy ireto miaraka aminy . Mpampianatra FRAM ireo nakana vola ireo hoy ny vaovao ary nampanantenaina fa horaisina mpiasam-panjakana . Lasan-dry zalahy fotsiny anefa ny vola fa ilay mpampianatra tsy voaray ho mpiasam-panjakana akory. Ankoatran’io fakana vola io dia mandeha ny tsindry sy fanamparam-pahefana amin’ireo mpampianatra raha mba mijoro tsy manaiky ny didy jadona hataon’ingahy DREN izy ireo. Betsaka ny fitarainana efa nataon’ireo mpampianatra sy ny vahoaka ao Bongolava saingy misy miaro foana ireto olona ireto hoy ny vaovao. Rehefa afaka anefa dia manohy ny asa mahazatra hatrany .
OLOM-BOAFIDY ?
Ny loharanom-baovao azo antoka no nahafantarana fa isan’ireo nampaniraka sy atidoha niketrika ny fakana vola tsy ara- drariny ny olom-boafidy iray ao Bongolava . Ny 2 amin’ireo olona voasambotra dia samy mitonona ilay olom-boafidy avokoa . Asa raha mbola ho votsotra na tena handray andraikitra amin’izay ny fitsarana. Mino sy mahatoky izahay fa tena hanao ny asany ireo mpanao fanadihadiana ka tsy hanaiky lembenana na sanatria ho voavidy vola hoy ireo mpampianatra sy Ray aman-dReny manaraka akaiky ity raharaha ity . Manaitra ny Ministera mba hijery izao olana mitranga ao Bongolava izao ,tsy hinana am-bolony ihany koa izy ireo satria efa ela no nandefa fitarainana ireo mpampianatra fa tsy nisy valiny. Andrasana izay mety ho tohin’ity raharaha ity araka izany.
Pati
Legende : Misy olana ny fampianarana eo anivon’ny DREN Bongolava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT