Fampianarana

Fanamorana ny fampianarana ireo « Autiste » Novatsiana fitaovana ilay ivontoerana manokana eny Androhibe


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Fanampiana isan-karazana toy ny fitaovana informatika maro no natolotry ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar ho an’ny fikambanana Avana hahafahana

manangana ny ivotoerana fanabeazana sy ara-tsosialy izay tetikasa iarahan’izy ireo miasa. Ny taona 2022 no efa mpikambana tao amin’ny Autisme Fédération Madagascar na AUFEM ny Avana. Ny fahitana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny sy ireo zanany manan-janaka manana tsy fahatomombanana na « autiste » no nahatonga ny fanapahan-kevitra hanangana ny ivotoerana manokana eny Androhibe, hoy hatrany ny fampitam-baovao. “Unités centrales” miisa 10 moa no isan’ny natolotry ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar ary miaraka amina akora informatika hafa toy ny “écran”, “clavier” ary “souris”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT