Fampianarana

Fanamboaran-dalana Mazava izao hoe iza no tena mahavita azy !


  • Talata 17 Jolay 2018

« Amboarina ny lalana eto Madagasikara ». Io ilay teny filamatra sady fanamby nataon’i Marc Ravalomanana.

  Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, dia izy no nahavita lalana be indrindra teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana fahaleovantena satria hatrany amin’ny 10 000 km latsaka kely nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny 2008, izany hoe 1600 Km isan-taona teo ho eo. Nofendrofendroin’ireo mpanao politika tsy nisy apoaka tamin’izany, fa lalana tsy azo hanina, saingy zava-dehibe io na ara-toekarena na ara-tsosialy satria hahafahan’ny Malagasy mifandray sy mifamezivezy, ary hahafaha-mamokatra ny vokatra. Mety hisy angamba ny hihomehy raha hiresahana ny zava-misy tany amin’iny faritra Mananjary iny fa dia nataon’ny olona toerana hitsangantsanganana isaky ny faran’ny herinandro mihitsy ny arabe vita tamin’ny tara, satria tao anatin’ny 50 taona nahazoana fahaleovantena izy tsy nahita an’izany. Tena nahavita i Marc Ravalomanana, ary nahita vola nahafahana nanao izany. Asa tena nanaraka ny fenitra, ary raha hanao fampitahana, ohatra, isika dia lalan’i By Pass iny efa tany amin’ny 11 taona lasa saingy tsy mba simba tsy toy ilay lalan’ny Frankofonia, izay namboarina ny 2016 sy tsy tena vita, saingy io iaraha-mahita io ny kalitaony. Mbola hitambezoana vola amin’ny sinoa ny fanamboarana ny lalana Tsarasaotra Ivato mirefy 12km, izay atao be filaza. Io ary tsy vita mainka fa ny an’ny amin’ny faritra. Ny fitantanam-bola tsy mangarahara, ny asa petatoko, ka tsy hay hoe mba mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fampiasana ny volan’ny tahiry ho an’ny fikojakojana ny lalana na ny FER ? Mazava hoe iza no mahavita dia izay no mpampiesona vahoaka ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT